<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>515</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Tsara lova, ry Jeso ô !
 Ny mpanota voavotrao,
 Fa fonenana soa
 Amboarinao ao,
 Hanefanao ny teninao ;
 Ho amin'io tany io tokoa
 No izoran'ny dianay ;
 Jeso Tompo no ao,
 Sady efa manao
 Trano soa hipetrahanay.

[V2]
 Tsara lalana, Jeso ô !
 Ny vahiny tarihinao ;
 Raha misy manjo,
 Tsy mba kivy ny fo
 Fa tohanan'ny herinao ;
 Ho amin'io, ..sns.

[V3]
 Tsara vatsy ry Jeso ô !
 Ny mpandeha fahananao,
 Fa ny teninao soa
 Mofon'aina tokoa
 Iveloman'ny olonao.
 Ho amin'io, ..sns.</lyrics>
<title>Tsara lova, ry Jeso o! FFPM515</title>
</song>